RODOLPHE_YouthTalk_KoragnaAgny

Rodolphe Jean
Mpianatra, Jeune reporter Radio Vanille (Sambava)

Misongadina ny faritra SAVA eto Madagasikara raha ny resaka Rano ita izany manerany nosy hita taratra amzaigny eto aminy faritra SAVA indrindra eto Sambava. Managna renirano efatra izy izay mitraotro amin’ny vinagny araiky idirany agny an-dranomasigny dia ny :Agnovogno, Andaohabe, Ankatoko ary Ratsiagnaragna. Tsara ho marihigny fa i Sambava dia hita agny avaratra-antsinanan’i Madagasikara ary renivohitry ny faritra SAVA. Ary tsy hadigna ny reniraano maromaro ato amin’ny SAVA toy ny Bemarivo, Lokoho, Androranga ary Andramonta sy ireo zay mbola tsy volaza ihany koa. Azo koragniny fa mbola mahampy tsara ny filatsahan’ny oragn’andro tsy itovisany amin’ny faritra hafa.

Na dia eo aza izaigny jiaby anefa fa mbola managna olagna maro dia maro i SAVA amin’io raharahan’ny Rano io, satria tsy mipetraka tsara ny fahadiovan’ny rano ato amin’ny faritra, ny renirano no maloto voalohany nohon’ny raha ataon’ny vahoaka monigny magnamoro iregny renirano iregny. Ataony vahoaka fanaovana maloto ny rano, agnirian’olo ary lasa fagnariampako ihiany koa eo amin’ny sisiny. Rehefa miresaka izay loton-drano zaigny dia ambara fa tsy migiaka rano madio ihiany ny vahoaka ato amin’ny faritra SAVA satria ny  jirama dia misintogno rano avy amin’iregny rano iregny. Raha eto Sambava no asian-teny dia tafiditra agnatiny zaigny . Ny tragno maventy amin’ny sisin-drano iregny koa magnary ny maloto jiaby amin’alalany tiot sy ny fako ihiany koa. Araka ny hita eto dia mbola misy fotoagna ny rano alaigny amin’ny robinet dikany maloto ny rano. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanagna ny robinet izay nataon’ny foto-drafitr’asa PAYAR, magnararaotro ny tompin-dakoro natao agnaty tokotanin’olo tsotra zay niheverigny hankamoramora ny fitantanagna nefa magnararaotro ny zare lasa manjaka tokana ny tompin-dakoro najary mivanga rano ny olo amin’ny tanagna .  Rehefa mikoragna rano zaigny atsika dia tsy afa-misaraka ao ny atiala noho izy mba loharano mampisy ny  mahalegny, ny olagna dia mirongatra ny tevy ala sy doro tanety aty amin’ny faritra ka lasa tsizarizary ny firotsahany mahalegny .

Ny olagna raha misy dia tsy maintsy misy ny vaha olagna, magnoloagna izaigny jiaby izaigny maro raha tokony hatao mba hialagna amin’iregny jiaby iregny.  Voalohany tokony hanagna kabone sy lava-pako ny isan-toka-tragno tsirairay mba misy tsy agnariagna fako sy angiriagnaamin’ny sisin-drano hialagna amin’ny loton-drano. Faharo magnaraka izaigny koa miaizaka ny tsirairay mba miala amin’ny tevy ala sy doro tanety atsika vahoka no tompin’andraikitry atao karaha ny fomba fiten’ny Malagasy hoe : « Tongotro miaramamindra, soroko miara milanja ». Magnaraka koa amin’ny fanjakana, ny fanjakana dia tokony handray andraikitra amin’ny fagnatsaragna ny raharahany. Satria ny rano dia agnisany fototro ny fiainagna raha mbola ma  nagnaigny eto ambony tany.

Raha ny hevitro manaokana no zahagna amin’ny amin’ny fagnatsaragna io raharahan’ny rano alaigny avy agny ifotony ny fagnatsaragna io rahahan’io rano io satria ny vahoaka madiniky no taigna maro mipaitraka magnamoro iregny reny rano iregny. Ampianarigny ihiany koa ny olo tsirairay fa ny rano dia agnisany raha voalohany manandanja sy sarobidy ary lohany fivelomagna hoany olom-belogno rehetra sy ny zava-manan’aigny jiaby. Ka tsy tokony ho atao tsinotsinona sy ho zimbazimbaina. Farany dia mba samby hanangana dinam-paritra ny mponigny isantanagna izay mipetraka magnamoro iregny rano iregny mba tsy anaovan’ny be sy ny maro ny maloto amn’ny rano.

Voalazako teo izay makasika ny rano eto Sava maro ny lesona nitsiahako mba agnamboatra izay fari-pagnamboaragna eo anatrehany tanana madio.